Sensibilisation contre les feux de brousse à Antanambe : La DREDD Analanjirofo mobilisée

𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘦 – 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘯𝘢𝘭𝘢𝘯𝘫𝘪𝘳𝘰𝘧𝘰

Fokontany maro tao anatin’ny 𝗸𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲 no notsidihan’ny 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗹𝗲𝗮𝘃𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 (
#𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 /
#𝗖𝗘𝗙_𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮) sy ny 𝗟𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗯𝗼𝗿𝗶𝗯𝗼𝗿𝗶𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲 nitondrana fanentanana mahakasika ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala.

Fampahafantarana ny vokadratsy ateraky ny afo sy ny lalàna mifehy izany ary ny sazy mifandraika aminy no nampahafantarina ireo mponina.

Teo ihany koa ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary izay anisan’ny mitarika ny fahapotehan’ny ala




Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanamafisana ny fametrahana ny 𝗩𝗮𝗼𝗺𝗶𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼 (
#𝗩𝗡𝗔), rafitra eny ifotony amin’ny fitantanana ny afo, ahafahana manamafy ny fisorohana sy fiatrehana ny afo.

Date de publication : 10 septembre 2025