📌𝘈𝘮𝘣𝘰𝘥𝘪𝘧𝘰𝘵𝘢𝘵𝘳𝘢 – 𝘚𝘢𝘪𝘯𝘵𝘦-𝘔𝘢𝘳𝘪𝘦, 11 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2025 – Nanatantaraka fanaraha-maso sy fanaovana tombana ireo asa nofaritana nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana farany teo tany Sainte-Marie Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine .
✅️ Teboka roa lehibe no nojerena tamin’izany :
🌊🐋 Fametrahana ny faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety #AMTP #SORKAY. Ity tetikasa ity diy natao hanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary an-dranomasina ao Sainte-Marie, ka anisan’izany ny karazana trozona antsoina hoe 𝘔𝘦𝘨𝘢𝘱𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘦𝘢𝘯𝘨𝘭𝘪𝘢𝘦. Tetikasa izay vatsian’ny Fonds pour l’Environnement Mondial (#FEM), ary tontosain’ny #MEDD miaraka amin’ny #GEF6AMP sy ny #GRETMadagascar.
♻️ Fanamafisana ny ady amin’ny fandotoana platsika ao Sainte-Marie, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny sehatr’asa fihariana maitso amin’ny fanodinana fako plastika, araka ny lohahevitra napetraka nandritra ny JME : «𝘕𝘰𝘴𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘢𝘷𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘱𝘭𝘢𝘴𝘵𝘪𝘬𝘢. »
Date de publication : 13 août 2025

Suivre d'autres actualités