🌳🌿Fandaharanasa ara-tontolo iainana misehatra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary amin’ny alalan’ny fanenana ireo karazana tsindry mihatra amin’ny faritra arovana ny Fandaharanasa #𝗣𝗔𝗗𝗗𝗜 𝗻𝗮 𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗺𝗲 𝗱’𝗔𝗽𝗽𝘂𝗶 𝗮𝘂 𝗗𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗗𝘂𝗿𝗮𝗯𝗹𝗲 𝗲𝘁 𝗜𝗻𝘁𝗲́𝗴𝗿𝗲́ 𝗱𝗲𝘀 𝗖𝗼𝗺𝗺𝘂𝗻𝗮𝘂𝘁𝗲́𝘀 𝗲𝘁 𝗱𝗲𝘀 𝗘́𝗰𝗼𝘀𝘆𝘀𝘁𝗲̀𝗺𝗲𝘀 izay iarahan’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 #𝗠𝗘𝗗𝗗 sy ny #𝗚𝗜𝗭.
🎯🌿Tanjona ao anatin’ity fandaharanasa ity ny fametrahana fandrosoana lovainjafy eny ifotony hisorohana ny fiankinan-dohan’ny mponina eny ifotony amin’ny itrandrahana ny harena voajanahary ao anaty faritra arovana.
🌳🌿Hahafahana manamafy ny fanatanterahana izany asa fikajiana ny harena voajanahary izany dia nisitraka fampitaovana avy amin’ny #PADDI ny 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗹𝗲𝗮𝘃𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 #𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗𝗕𝗼𝗲𝗻𝘆 izay, nahitana fitaovana informatika (solontasina, imprimante, écran) ary latabatra sy seza.
Date de publication : 21 novembre 2025

Suivre d'autres actualités