« Nosy Be miatrika ny olana amin’ny fako: niara-nivory ny MEDD sy ireo mpiara-miombon’antoka hamolavola vahaolana maharitra »


Ny 02 May 2025, dia notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Tanàna ny fivoriana iarahan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy
#MEDD ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny
#fako sy ny
#fandotoana.



Tanjon’ny fivoriana ny hamolavolana tetikady feno sy mifanaraka amin’ny zavamisy ao Nosy Be amin’ny fitantanana ny fako sy ny fidirana amin’ny
#toekarena mikajy ny
#tontoloiainana.


Nisongadina tamin’ny fivoriana ny fanadihadiana ny zava-misy amin’ny fitantanana ny fako, ny fampahafantarana ireo ezaka efa misy, ary ny fikarohana vahaolana iombonana sy fampiroboroboana ny fandraisana andraikitry ny rehetra, indrindra ny mpandraharaha ara-toekarena sy ara-pizahantany.


Nanambara Andriamatoa Minisitra
Max Andonirina Fontaine fa mila mandray andraikitra sy miara-misalahy ny rehetra amin’ny fametrahana vahaolana mahomby.
Date de publication : 5 mai 2025