📍𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢, 📅 28 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
🌿Voatendry ho 𝗦𝗲𝗸𝗿𝗲𝘁𝗲𝗿𝗮 𝗝𝗲𝗻𝗲𝗿𝗮𝗹𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 19 novambra 2025 teo Andriamatoa 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗧𝗦𝗜𝗛𝗔𝗟𝗔 𝗡𝗼𝗹𝗮𝘃𝗲 𝗟𝘂𝗰𝗸 𝗔𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗱𝗲. Tontosa androany tato Antsahavola ny famindran’andraikitra teo aminy sy Andriamatoa RASAMOELINA Andry Fidiniaina Moïse izay nitazona izany andraikitra izany teo aloha.
🙏🤝𝗡𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 manokana an’Andriamatoa Sekretera Jeneraly teo aloha noho ny asa vitany teto amin’ny #MEDD Andriamatoa 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗦𝗜𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗮𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲̈𝗹 ary 𝗻𝗶𝘁𝘀𝗼𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼 sy 𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 an’Andriamatoa Sekretera Jeneraly vaovao hahefa-be amin’ny adidy sy andraikitra miandry azy eto anivon’ny Minisitera.
🌿Sehatra iray anisan’ny mitaky fanovan-drafitra sy vokatra mivaingana ny sehatry ny fikajiana ny tontolo iainana, anisan’ny mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanatanterahana izany ny Sekretera Jeneraly, miaraka amin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra.
Date de publication : 1 décembre 2025

Suivre d'autres actualités