Hetsika Fametrahana Rindran-damina sy Fiarovana Ny Tontolo Iainana ao amin’ny Faritra Analanjirofo
Environnement
Ao anatin’ny hetsika 𝗳𝗮𝗺𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 dia nanatanteraka « 𝘁𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗮𝗱𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗲 » 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗦𝗼𝗮𝗻𝗶𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗜𝘃𝗼𝗻𝗴𝗼 ny Faritra Analanjirofo notarihan’ny Préfet an’i Fenoarivo Atsinanana, ny Lehiben’ny Faritra mpisolo-toerana, ny OMC ary ireo Sampan-draharaham-panjakana eo anivon’ny faritra ka anisan’izany ny DREDD Analanjirofo. 𝗡𝗮𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝘁𝘆 𝗵𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗕𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮𝗺-𝗽𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆, 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺𝗼𝗻𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗦𝗼𝗮𝗻𝗶𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗜𝘃𝗼𝗻𝗴𝗼.
Ho an’ny 𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 amin’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 ity fihaonana ity. Isan’izany ny fambolen-kazo sy ny fanamafisana ny fiarovana ireo hazo novolena ireo, ny fametrahana ny toerana natokana hambolen-kazo (RFR) isaky ny kaominina sy ny fokontany ary ny fametrahana tanin-janakazo indrindra eny anivon’ireo kaominina misy vondron’olona ifotony (VOI).
Anisan’ny nohamafisina teto ihany koa ny 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗸𝗼𝘀𝗼𝗸𝗼 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆, ka tsy maintsy anafainganana ny fizaram-baovao avy eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany ary ny ady amin’ny afo ka nanetsehana manokana ireo rafitra eny ifotony toa ny VNA na Vaomieran’ny ala.