Green Action School: manabe mpianatra manaja ny tontolo iainana
Développement durableEducation environnementale


Taorian’ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny maodely « Green Action School (
#GAS) » na « Sekoly mirindra sy lovainjafy » tao amin’ny
#CEGNanisana sy ny
#LycéeAmbatofahavalo, dia mitohy hatrany ny fanatanterahana ireo asa izay mikendry ny fampitana amin’ny mpianatra ny soatoavina sy ny fitondrantena manaja ny tontolo iainana, ho antoky ny hoavy lovainjafy.


Nandritra ny fanamarihana ny Andron’ny Mpirotsaka an-tsitrapo Frantsay ny 10 sy 11 desambra 2025, dia nikarakara fifaninanana fanodinana fako tao amin’ny CEG Nanisana sy Lycée Ambatofahavalo sy fifaninanana iraisan’ny tanàna amin’ny fanangonana fako ny MEDD sy ny France Volontaires ho famporisihana ny tsirairay sy ireo tanora mpianatra amin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fanomezan-danja ny fako.
Date de publication : 5 janvier 2026