🏡🏭Vokatry ny fitarainana nampitaina teto anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD)
mahakasika ny fisiana setroka maloto miteraka fandotoana ny rivotra avy amina orinasa iray eny Ivato – Antananarivo dia nanatanteraka fitsirihana teny an-toerana ny Komity mpanara-maso ara-tontolo iainana izay ivondronan’ny #MEDD, #MIC, ny #ONE, ny #Kaominina ary ny #Fokontany.
🏡♻️Voamarina nandritra ity fidinana ifotony ity ny fisian’ny fandotoana avy amin’ity orinasa ity. Vokatry ny tsy fahatomombanana amin’ny milina famokarana ampiasain’izy ireo no isan’ny miteraka ity setroka maloto ity eo ihany koa ny fandorana plastika sy lamba.🌳
❌️Noraisina avy hatrany ny fepetra fanajanonana ny fandorana ireo plastika sy vorodamba ireo ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny tsirairay. Tsy maintsy hatsarain’ny orinasa ihany koa ny milina fampiasan’izy ireo hisorohana ny famoahana setroka maloto. Hanatanteraka fanadihadiana ara-tontolo iainana amin’ity orinasa ity ny ONE ary hisy ny fanombanana ara-teknika sy fakan-kevitra ho tanterahin’ny komity.
📣📣Entanina hatrany ny orinasa tsirairay hanaraka ny fenitra ara-tontolo iainana izay voafaritra ao anatin’ny didim-panjakana #MECIE ho an’ny tombotsoan’ny tsirairay

Date de publication : 10 mars 2025

Suivre d'autres actualités