🌱🌳Niara-nientana nanatanteraka 𝗳𝗶𝗸𝗼𝗹𝗼𝗸𝗼𝗹𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻-𝗸𝗮𝘇𝗼 tao amin’ny 𝗙𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗯𝗲𝗺𝗮𝘀𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼, 𝗸𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗼𝗹𝗼𝗺𝗮𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆, 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD), notarihan’Andriamatoa 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗦𝗜𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗮𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲̈𝗹, ny Fokonolona ao an-toerana, ny 𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 𝗚𝗲𝗻 𝗭 sy ny tanora zokiny, ary ny mpiara-miombon’antoka.
🌳🌳Fambolen-kazo amina 𝘃𝗲𝗹𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝟮𝟬𝗵𝗮 no nanaovana izao fanaraha-maso izao. 𝟵𝟱% 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗵𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗼𝗺𝗯𝗶𝗮𝘇𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻-𝗸𝗮𝘇𝗼 tao amin’ity toerana ity satria dia tena ataon’ny kaominina laharam-pahamehana ny fikarakarana azy ireo ary vokatry ny fandraisan’andraikitr’izy ireo dia nihena ihany koa ny doro tanety.
🌿Nampiavaka manokana ity fikolokoloana ny fambolen-kazo ity ny 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 𝗚𝗲𝗻 𝗭 avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Nanamafy izy ireo nandritra ny loabary an-dasy izay natao teny an-toerana fa vonona tanteraka ny hifanohana amin’ny MEDD amin’ny asa fikajiana ny tontolo iainana.
Date de publication : 10 novembre 2025

Suivre d'autres actualités