Lohahevitra : » Nosy ho amin’ny ho avy tsy misy fandotoana plastika «
« Île pour un avenir sans pollution plastique «
Tontosa androany 05 jona ny lanonana fankalazana ofisialy ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iaiainana tato amin’ny Faritra Ihorombe tao amin’ny Kaominina Andohanilakaka izay notarihin’i Rtoa Goverinoran’ny Faritra Ihorombe niaraka tamin’i Lefitry ny Prefektiora Ihosy, Solotena Solombavambahoaka Ihosy, Ben’ny tanànan’Andohanilakaka ary ny avy ato amin’ny DREDD Ihorombe. Tonga mavitrika niara-nientana ireo Sampan-draharaha maro samihafa, Mpiara-miombon’antoka, Fokontany maro amin’ny Kaominina Andohanilakaka, Fikambanana maro samihafa, lonaka, Fokonolona, ary ny mpianatra.
Naharitra telo (03) andro ny fankalazana ary hetsika maro no nentina nanamarihana an’izany.



