Fanatsarana ny Tontolon’ny Asa: Nitsidika ny birao vaovao DREDD Androy ny Minisitra

𝗔𝗺𝗯𝗼𝘃𝗼𝗺𝗯𝗲 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝘆,

𝟲 𝗱𝗲𝘀𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱


Laharam-pahamehan’Andriamatoa Minisitra Manesimana Rafanomezantsoa Michaël hatrany ny 𝗳𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 eny anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana rehefa manao fitsidiham-paritra ny tenany.


Nandritra ny famitana iraka izay notanterahiny teo anivon’ny 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝘆 dia nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny 𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝘆 ny tenany amin’ny fanatsarana sy fanamafisana ny andraikitra sahanin’ny
#MEDD eny ifotony sy ny fanatsarana ny tontolon’ny asa eo anivon’ny DREDD.


Anisan’ny misitraka tombony mivantana avy amin’ny 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗠𝗶𝗼𝗻𝗷𝗼 ihany koa ny
#DREDDAndroy izay nisitraka 𝗯𝗶𝗿𝗮𝗼 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼. Nitsidika ity fotodrafitrasa vaovao ity ihany koa Andrimatoa Minisitra nandritra izao diany izao.
Date de publication : 8 décembre 2025