Fanarenana ny ala ao Andranomena: Zanakazo 12.600 novolena tao Marofandilia

𝘔𝘢𝘳𝘰𝘧𝘢𝘯𝘥𝘪𝘭𝘪𝘢 – 𝘔𝘰𝘳𝘰𝘯𝘥𝘢𝘷𝘢,

17 𝘫𝘢𝘯𝘰𝘢𝘳𝘺 2026


Fambolena zanakazo miisa 12.600 tamin’ny velaran-tany mirefy 9,6 ha tao amin’ny fokontany
#Marofandilia no nanombohana ny fambolen-kazo tao amin’ny faritra Menabe ny 17 janoary 2026, izay notarihan’ny
#DREDDMenabe sy ny tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny faritra Menabe. Tafiditra ao anatin’ny faritra misy ny 𝗥𝗲́𝘀𝗲𝗿𝘃𝗲 𝗦𝗽𝗲́𝗰𝗶𝗮𝗹𝗲 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝗻𝗮 ity toerana nambolena hazo ity ho fanarenana ny faritr’ala simba ao amin’ity faritra arovana ity. Zanakazo Anakaraka, Arofy, Mafay ary Mangarahara no novolena tamin’izany.


Nanamafy ny fanentanana ny mponina amin’ny fiarovana sy ny fikolokoloana ireto zanakazo ireto ny DREDD Menabe ahafahana mahazo vokatra tsara amin’ny ezaka fambolen-kazo izay atao.

Date de publication : 20 janvier 2026