📍𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 📅19 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
🌿🏡Fanamby goavana no iantsorohan’ny #DREDDAtsinanana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary eo anivon’ny faritra Atsinanana izay fantatra fa manankarena ara-boajanahary tokoa ary toerana itobian’ny orinasa mpamokatra maro.
🏡Nandritra ny fandalovan’Andriamatoa Minisitra Manesimana Rafanomezantsoa Michaël tany Toamasina, dia nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny DREDD Atsinanana ny tenany amin’ny fanamafisana ny anjara andraikitry ny #MEDD eo anivon’ny faritra sy niara-nijery vahaolana amin’ireo karazana olana izay sedraina amin’ny fanatanterahana ny asa.
🌿🌱Nankasitraka sy nankahery ny mpiara-miasa tsirairay ihany koa Andriamatoa Minisitra amin’ny ezaka izay ataon’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny adidy masina, ho an’ny tontolo iainana sy ho an’ny taranaka, izay iandraiketany eo anivon’ny DREDD Atsinanana.
Date de publication : 23 décembre 2025

Suivre d'autres actualités