🌊♻️Loza mitatao ho an’ny tontolo iainana an-dranomasina ny fandotoana ateraky ny fako indrindra ny fako plastika. 🌿Entina misoroka izany dia nifamotoana nanatanterana fanadiovana ny moron-dranomasina ao amin’ny kaominina Manompana – Faritra Analanjirofo ny DREDD Analanjirofo tamin’ny alalan’ny TEF Manompana, ny DRPEB Analanjirofo, ny Kaominina Manompana, ny VOI Vahona Manompana ary ny fokonolona mipetraka Manamorona ny moron-dranomasina.🦈🐠
⚠️🌊Miteraka fahasimban’ny rohivoahary an-dranomasina sy ny harena voajanahary ao aminy ny fiparitahan’ny loto any anaty ranomasina ary misy fiantraikany ratsy amin’ny jono izay fiharian’ireo mponina.🌊⛵️🐟
📣🌊Zava-dehibe arak’izany ny fandraisanan’andraikitry ny tsirairay tahaka izao, izay natao ho fanentanana ny isam-batan’olona ihany koa.⛵️🦈
Date de publication : 4 mars 2025

Suivre d'autres actualités