Fanadiovana Faobe ho Fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Fahadiovana
BiodiversitéEnvironnement

𝘈𝘯𝘬𝘰𝘳𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘰 – 𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 13 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025

Mirindra miaraka amin’ny fanamarihana ny “ 𝗪𝗼𝗿𝗹𝗱 𝗖𝗹𝗲𝗮𝗻 𝗨𝗽 𝗗𝗮𝘆 ” na ny “𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗻𝗮𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮” dia nisy ny hetsika fanadiovana an-kalamanjana notanterahina teny 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼.

Ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆
#MEDD, ny
CUA – Commune Urbaine d’Antananarivo, ny orinasa
ANDAO COMPANY , ary ny 𝗟𝗼𝗴𝗶𝘀𝘁𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗣𝗲́𝘁𝗿𝗼𝗹𝗶𝗲̀𝗿𝗲, ny 𝗘𝗣𝗣 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼 no nitarika ny hetsika fanadiovana ary niarahana tamin’ireo 𝗺𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗻-𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮.

Fonosona sakafo plastika sarotra levona ny ankamaroan’ireo fako voaangona.

Nentanina manokana arak’izany ny tsirairay tsy hanaparitaka azy ireny fa hanary azy ireo anaty dabam-pako voatokana amin’izany.


Efa misy ny orinasa sy fikambanana mandray ireny ireny fako plastika ireny aodina ho lasa akora azo ampiasaina indray.

Ny orinasa mpamokatra kosa dia entanina hatrany hanolo ireny fonosana plastika sarotra levona ireny amina akora manaja ny tontolo iainana.
Date de publication : 18 septembre 2025