« Fanabeazana Miaraka amin’ny Fitiavana Ala Honko ho an’ny Tanora ao Menabe »

Hahafahana mitaiza ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fikajiana ny tontolo iainana dia ataon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (
#MEDD) laharam-pahamehana ny fanabeazana ny tanora sy ny ankizy ho tia sy hanaja ny tontolo iainana.


Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy
#DREDDMenabe sy ny tetikasa
#S2NAP dia nanatanteraka fanabeazana ara-tontolo iainana mahakasika ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny ala honko ao
#Menabe izy ireo. Tao amin’ny Fokontany
#Kivalo sy
#Lovobe ao amin’ny kaominina
#Bemanonga #Bosy sy kaominina
#Marofandilia no nanatanterahana izany. Ireto kaominina ireto izay anisan’ny manana faritr’ala honko midadasika ao amin’ny faritra Menabe.

Fampahafantarana ireo ankizy mpianatra ny karazana zavatsoa azo avy amin’ny ala honko ka tsy maintsy iarovana azy no nifampizarana tamin’izany. Nanamorana ny fifampizarana ny fampiasana ny kit
#MADErE. Ankoatra ny fanentanana dia nisitraka tohana fitaovam-pianarana ihany koa ireo ankizy mpianatra. Ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-telo, faha-efatra ary faha-dimy no nanatanterahana ny fanentanana.

Date de publication : 15 octobre 2025