🌳Ho fanamafisana ny fikajiana sy ny fitantanana maharitra ireo faritra arovana eto amintsika dia nisitraka fampitaovana avy amin’ny tetikasa #KOBABY, #S2NPA ary #PACIWT ireo Fitaleavana foibe #DAPRNE #DULC sy Fitaleavam-paritra (#DREDD) eto anivon’ny #MEDD voakasika mivantana amin’ny fitantanana ny faritra arovana iarahana amin’ireo tetikasa ireo sy ny mpiara-miombon’antoka misehatra miaraka amin’ireo tetikasa miisa 3 ireo #Fanamby #SAGE #MBG #Durrell
🌳🚙Fiara tsy mataho-dalana miisa 4 sy 🏍moto miisa 12 no fitaovana natolotra tamin’izany. Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine no nitarika ny fotoana nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireto fitaovana ireto.
🌿🌱Notsindrian’Andriamatoa Minisitra nandritra ity fotoana ity fa laharam-pahamehan’ny Ministera ny fanomezana fampitaovana tahaka izao hahafahan’ny tsirairay manatanteraka araka ny tokony ho izy ny asa izay iandraiketana sy hahazoana vokatra tsara araka ny tokony ho izy.
Date de publication : 19 février 2025

Suivre d'autres actualités