Fampiofanana ho an’ny Fadintseranana sy ny Polisy Tontolo Iainana momba ny Fitiliana sy Fanafoanana ny Entona Manimba ny Sosona Ôzôna
EnvironnementLutte contre le feu


Nisitraka fampiofanana mahakasika ny fitiliana mialoha sy ny fanaraha-maso ireo singa mpanimba ny sosona ôzôna ny mpiasan’ny Fadintseranana sy ireo Polisin’ny Tontolo iainana (
#OPJE) eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy
#DREDDBoeny ny 16 hatramin’ny 18 septambra 2025 teo. Efa manana ny fitaovana arifomba ahafahana mitily ireo entona mpanimba ireo isika ka ny fomba fampiasana azy ireo no anisan’ny nampitaina tamin’ireo mpiofana ireo sy ny fomba fitiliana ny karazana entona toa ny R22


tsy tokony ho ampiasaina intsony.


Ny vata fampangatsiahana sy ny fitaovana fampangatsiahana (climatiseurs) no nampiasa ity karazana entiona R22 ity izay efa irosoan’izao tontolo izao tsikelikely ny fanafoanana ny fampiasana azy.

Ny Bureau National Ozone (
#BNO) no nikarakara ny fampiofanana izay notanterahina tany Mahajanga.
Date de publication : 23 septembre 2025