🌿❌️🔥Anisan’ireo paikady entina miady amin’ny doro tanety sy ny doro ala ny fanamafisana ny serasera sy ny fanabeazana ny tsirairay amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.
📻📺Niara-namolavola fitaovan-tserasera entina manatanteraka fanentanana eny ifotony arak’izany ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) tohanan’ny FAO Representation – Madagascar Comores Maurice Seychelles entina hiadiana amin’ny fanaovana doro tanety sy doro ala ary ny tavy.
🎤🌿Natao mifanaraka amin’ny fomba fiteny sy ny fomba fanao eny anivon’ny faritra ireto fitaovan-tserasera ireto hampahomby ny fanentanana izay atao dia ny fiovam-pihetsiky ny tsirairay hanaja ny tontolo iainana sy hiala amin’ny fanaovana doro tanety sy doro ala.
Date de publication : 20 février 2025

Suivre d'autres actualités