Famindran’andraikitra tao amin’ny DREDD Vakinankaratra

Voatendry ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy
#DREDDVakinankaratra nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 19 novambra 2025 teo Ramatoa RAZAFIMAHALEO Soloniaina Fiononantsoa.

Tontosa omaly 21 novambra 2025 ny famindran’andraikitra teo aminy sy ny Tale mpisolo toerana teo aloha Ramatoa ANDRIAMALALA Sahondra.

Nitsodrano ny Tale vaovao hitondra ainga vao sy hahefabe amin’ny andraikitra ny solontenan’Andriamatoa Minisitra niatrika ity fotoana ity sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny DREDD Vakinankaratra.
Date de publication : 25 novembre 2025