Manamafy hatrany ny hetsika fanentanana hisorohana ny afo ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena ny #DREDDMenabe (Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable – Menabe). Tao Anivorano sy Ankilimamy – Fokontany Bevologa,
kaominina Bemanonga, izay manamorona ny Réserve Spéciale Andranomena,
no nanatontosana izany hetsika fanentanana izany, izay nanehoana ireo mponina ny vokadratsy ateraky ny doro tanety sy ny doro ala. Notsindriana manokana nandritra ity fanentanana ity ireo lalàna mifehy ny doro tanety sy ny doro ala izay efa voafaritra ihany koa ao anatin’ny Dinan’i Menabe.
Date de publication : 18 août 2025

Suivre d'autres actualités