DREDD DIANA sy ny Mpiara-miombon’antoka: Miara-misalahy amin’ny Ady amin’ny Doro Tanety sy Doro Ala


Mifandrimbona amin’ny fisorohana sy ny ady doro tanety sy ny doro ala ny DREDD DIANA sy ireo mpiaramiombon’antoka eo anivon’ny faritra DIANA.

Fanamafisana ny fanentanana sy fitsidihana ireo toerana hita fa matetika ahitana trangan’afo no iaraha-manatanteraka. Atao laharam-pahamehana amin’izany ny fifampiresahana amin’ireo olona eny ifotony hanatsahatra ny fampiasana afo amin’ny fambolena. Eo ihany koa ny fampahafantarana azy ireo ny lalàna mifehy ny doro tanety sy ny doro ala.

Miaradalana amin’izao hetsika fanentanana izao ny fananganana sy fampandehanana ary fampiofanana ireo KMDT (Komity Miady aminy Doro Tanety) izay rafitra eny ifotony entina miady amin’ny doro tanety sy ny doro ala.

Fokontany maro no efa nanatanterahana izao hetsika izao ary ho tohizana hatrany izany amin’izao vanim-potoana maintany izao.
Date de publication : 27 mai 2025