“COP30: Mpiaro ny Zon’ny Ankizy Malagasy Mitondra Ny Hafany Any Brésil”


Anisan’ny mandrafitra ny delegasiona malagasy any Belém, any Brésil, mandritra ny
#COP30 i 𝗟𝗼𝘃𝗮 𝗥𝗲𝗻𝗲́𝗲, mpiaro ny 𝘇𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆 amin’ny sehatry ny 𝗳𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 eo anivon’ny 𝗨𝗻𝗶𝗰𝗲𝗳 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮. Nisy ny fihaonana teo aminy sy ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗜𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 (
#MEDD) ary ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗷𝗮𝗵𝗮𝗻-𝘁𝗲𝗻𝗮 (
#MJS).



Zava-dehibe ny anjara toeran’ny ankizy sy ny fihainoana ny feon’izy ireo satria ny ankizy dia iray amin’ireo tena iharan’ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetrandro.

Tanjona amin’ny fandraisana anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena toy izao ny hahafahana mitondra avo ny feon’ny ankizy sy manentana ny tompon’andraikitra isan-tokony handray fanapahan-kevitra hentitra sy maharitra.

Ny kirizin’ny toetrandro dia kirizin’ny zon’ny ankizy, ka tsy maintsy andraisana vahaolana maika sy mifanaraka amin’izany.
Date de publication : 20 novembre 2025