📍𝘗𝘢𝘳𝘤 𝘛𝘴𝘪𝘮𝘣𝘢𝘻𝘢𝘻𝘢, 📆24 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
🌿🌵Toerana iray manana ny lanjany ara-tontolo iainana, ara-toekarena ary ara-tsiansa ny 𝘃𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗿𝗶𝗻’𝗶 𝗧𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮𝘇𝗮𝘇𝗮 satria ankoatra ny maha-toerana fitsangatsanganana azy nahafahana izay nahafahana namantatra sy nankafy ireo karazam-biby sy zavamaniry mampiavaka manokana an’i Madagasikara dia toeram-pikarohana mahakasika ny harena voajanahary ihany koa izy ary anisan’ny nandray anjara betsaka amin’ny firoboroboan’ny fizahantany.
🌵🌳𝗠𝗶𝘀𝗲𝗱𝗿𝗮 𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗲𝗳𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝘃𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗿𝘆 𝗶𝘁𝘆 ary misy fiantraikany betsaka amin’ireo karazanjavamananaina ao ihany koa izany. Misy arak’izany ny 𝗸𝗼𝗺𝗶𝘁𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝗷𝗼𝗿𝗼 𝗵𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 ny valanjavaboarin’i Tsimbazaza izay ivondronan’ny Minisitera maro izay voakasika mivantana ao anatin’izany. Izy ireo no hamolavola ao anatin’ny fotoana fohy ny 𝘁𝗼𝗹𝗼𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝘃𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗿𝘆 𝗶𝘁𝘆. Mialohan’ny fanamarihana ny 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟭𝟬𝟬 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗿𝗶𝗻’𝗶𝗧𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮𝘇𝗮𝘇𝗮 no hametrahana izany paikady izany.
🌳🌿Nitsidika tao amin’ny valanjavaboarin’i Tsimbazaza ny 24 novambra 2025 ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa (#MESUPRES), izay mpitantana ity valanjavaboary ity, niaraka tamin’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD), ary ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asatanana (#MTA) ary ireo komitin’ny fanarenana, nijery ifotony ny zava-misy sy nanamafy ny paikady hanarenana ny Parc Tsimbazaza.
Date de publication : 25 novembre 2025

Suivre d'autres actualités