🌿 Notanterahina tao Fianarantsoa ny atrikasa fakan-kevitra amin’ny fametrahana 𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶-𝗽𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗲𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗮𝗻𝘆 miisa 2 na #PAGIP (𝗣𝗹𝗮𝗻 𝗱’𝗔𝗺𝗲́𝗻𝗮𝗴𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗲𝘁 𝗱𝗲 𝗚𝗲𝘀𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗜𝗻𝘁𝗲́𝗴𝗿𝗲́𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗣𝗮𝘆𝘀𝗮𝗴𝗲𝘀) ho an’ny endritanin’i 𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗼𝗻𝘆 Matsiatra, ao amin’ny Distrikan’i Vohibato ary ny endritanin’i 𝗥𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝗶𝗻𝘁𝘆, Distrikan’i Lalangina ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, taorian’ny fakan-kevitra mahakasika ny endritanin’i Bas Mangoky, Faritra Atsimo Andrefana.
🌳 Ny 𝗠𝗶𝗻𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗜𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 (#𝗠𝗘𝗗𝗗) miaraka amin’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗼𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮 (#𝗠𝗜𝗡𝗔𝗘) amin’ny alalan’ny 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 #𝗧𝗘𝗙𝗜𝗔𝗟𝗔 no namolavola ireo drafi-panajariana ireo. Tetikasa izay vatsian’ny #FEM na Fonds pour l’Environnement Mondial amin’ny alalan’ny #FAO.
🌿Hahafahana manatanteraka ny asa fanarenana araka ny tokony ho izy dia nisy ny fanolorana fitaovana, avy amin’ny tetikasa TEFIALA, izay entina manarina ny tany misy faritra’ala simba sy fitaovam-pamokarana ho fanatsarana ny vokatry ny mponina eny ifotony, izay notanterahin’ny tao amin’ny 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗜𝗵𝗮𝘇𝗼𝗮𝗿𝗮 sy ny 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗩𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮𝗳𝗲𝗻𝗼 ao Matsiatra Ambony.
Date de publication : 27 mai 2025

Suivre d'autres actualités