🐢Sokatra miisa 1102 efa vita kitoza sy sokatra velona miisa 20 no tra-tehakin’ny DREDD Androy amin’ny alalan’ny CEF Tsihombe sy ny ekipan’ny TSA (Turtle Survival Alliance) ny 5 aogositra 2025 teo, tao amin’ny Fokontany Ambonaivo – Kaominina Behazomanga Distrikan’i Tsihombe – Faritra Androy. Loharanom-baovao nomen’olon-tsotra no nahafahana nahazo izao vokatra izao.
👮‍♂️Olona 1 no voasambotra niaraka tamin’ireto sokatra ireto, mbola karohina kosa ny namany miisa 14 izay tafaporitsaka.
⛔️ Ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) dia mampatsiahy hatrany fa raran’ny Lalàna ny fihazana, fihinanana, fiompiana ary ny fanondranana ny sokatra, biby izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ary efa atahorana ho lany tamingana.
Date de publication : 13 août 2025

Suivre d'autres actualités