❌️🔥Manamafy hatrany ny fanentanana eny ifotony ny #DREDDMenabe hiadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala. Fampahafantarana ny lalàna mifehy ny afo sy ny sazy mifandraika aminy, ny vokadratsy ateraky ny doro tanety sy ny doro ala, ary fanentanana amin’ny ady fitrandrahana an-tsokosoko ny ala no tanterahina ao anatin’izany.
📌Ny 20 hatramin’ny 28 aogositra 2025 dia tao amin’ny kaominina Berevo, Ankiroroka no nanatanterahan’ny Cantonnement de l’Environnement et des Forêts Belo sur Tsiribihina (#CEFBelosurTsiribihina) ny fanentanana ary nitohy tao amin’ny fokontany Bekily (kaominina Berevo), fokontany Begidro (kaominina Ankiroroka) ary ireo tanàna manodidina ny alan’ny Cascade Anosinampela.
📣Nohararaotina nandritra ity fotoana ity ihany koa ny fanetsehana sy fametrahana ny Komity Miady amin’ny Doro Tanety #KMDT isaky ny fokontany ho fanamafisana ny fiatrehana ny afo.
Date de publication : 3 septembre 2025

Suivre d'autres actualités