“Nosy ho amin’ny ho avy tsy misy fandotoana plastika.”
Notanterahina ny faha 05 jona 2025 ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Tontolo Iainana tao amin’ny Distrikan’i Miandrivazo, Faritra Menabe.
« Nosy ho amin’ny hoavy tsy misy fandotoana plastika  » no lohahevitra ary nanasana ireo mpiara’mizaika miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana. Nandray fitenenana sy fanentanana ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.
Koa nentina nanamarihana izany fankalazana izany dia nisy :
🌿Ny fanolorana ny marim-pankasitrahana sy fitaovam-panadiovana ho an’ireo Fokontany telo lohalaharana tamin’ny fifaninanana Fokontany madio ato anivon’ny Kaominina ambonivohitry Miandrivazo.
🌿Ny fanolorana ho an’ny Kaominina ny fanariam-pako miloko araka ny sokajim-pako. 🌿Fitsidihana ny fampirantian’ireo mpiara-miombon’ antoka miara – miasa akaiky amin’ny DREDD Menabe
Ary notohizana tamin’ny fitsimponana ireo akora plastika teo antampon-tanàna izany ary nofaranana tamin’ny « radio crochet » natokana ho an’ireo mpianatra nanatrika ny hetsika fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny Tontolo iainana.
Date de publication : 18 juin 2025

Suivre d'autres actualités