๐จ๐ข๐ฆ๐ผ๐ธ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐ด๐ฑ ๐๐ฟ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ ๐๐ด๐ป๐ฎ๐๐ถ๐ฎ๐๐ ๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ป๐ฒ – ๐ธ๐ฎ๐ผ๐บ๐ถ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ ๐๐ป๐ธ๐ถ๐ธ๐ถ๐๐ฎ๐น๐ผ – ๐๐ถ๐๐๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ๐ปโ๐ถ ๐ง๐๐ถ๐ต๐ผ๐บ๐ฏ๐ฒ

๐๐ด๐ช๐ฉ๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฆ – ๐๐ข๐ณ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐บ,

4 ๐ฅ๐ฆ๐ด๐ข๐ฎ๐ฃ๐ณ๐ข 2025

Manamafy ny andrimaso eny ifotony sy ny fiaraha-miasa hiadiana aminโny fitrandrahana sokatra an-tsokosoko ny Minisiteranโny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (
#MEDD), ny Turtle Survival Alliance (
#TSA), ny mpitandro ny filaminana, ny mponina eny ifotony ary ny mpitantana faritra arovana. Anisanโizany ny fanamafisana ny fametrahana tambazotra mpampita vaovao sy manao fitsirihana eny ifotony.


Ny 04 desambra 2025, dia nahazo antso fanairana ny District Turtle Center
#DTC_Tsihombe ny fisianโny olona mitondra sokatra mandalo tao amin’ny fokontany Agnaviavy Ambone. Nandray ny fepetra mifanaraka aminโizany ny Zandarimariam-pirenena tao an-toerana ka tra-tehaka ny lehilahy iray miaraka aminโny sokatra 85. Bisikileta 7 no nitondrana ireto sokatra ireto ka mbola karohina ny olona miisa 6 izay niaraka taminโity lehilahy tra-tehaka ity.


Fantatra fa any amin’ny fokontany Dabolava – kaominina Ambatosola – Distrikanโi Bekily no saika hitondrana ireto sokatra ireto no izao voasakana izao.


Biby arovana ary efa atahorana ho lany tamingana ny sokatra. Raranโny lalร na eto Madagasikara sy ny lalร na iraisam-pirenena
#CITES ny fitrandrahana, ny famarotana, ny fitaterana, ny fiompiana ary fihinanana sokatra.

Raha mahita tranga fitrandrahana harena voajanahary an-tsokosoko ianao dia antsoy avy hatrany ny laharana maitso 955.
Date de publication : 5 dรฉcembre 2025