Fanentanana amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala tao amin’ny kaominina Anjoman’Ankona – distrikan’i Manandriana.
Nampahafantarina ny mponina nadritra ny hetsika fanentanana izay notanterahina tao amin’ny kaominina Anjoman’Ankona ny vokadratsy ateraky ny afo, na ara-tontolo iainana izany na eo amin’ny fiharian’ny tsirairay, ary koa ireo lalàna mifehy izany. Nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny herinandron’ny Vondron’Olona Ifotony (#VOI) ity hetsika ity ka vory lanona niatrika ny fanentanana ireo mpikambana ao amin’ny VOI Maitsovolo ao Faliarivo Anjoman’Ankona.
Nifandrimbona nanatanteraka ny fanentanana ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#DREDDAmoroniMania), ny avy eo anivon’ny Faritra Amoron’i Mania, ny OMC avy ao amin’ny Distrikan’i Manandriana, ny Chef Cantonnement Manandriana, ny Ben’ny Tanànan’ Anjoman’Ankona ary ireo Chef Fokontany.
Date de publication : 7 octobre 2025

Suivre d'autres actualités