๐Ÿ“๐˜ˆ๐˜ฏ๐˜ต๐˜ด๐˜ช๐˜ณ๐˜ข๐˜ฃ๐˜ฆ, 01โ€“05 ๐˜ฅ๐˜ฆ๐˜ด๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ณ๐˜ข 2025
๐ŸŒณ Notanterahana tao Antsirabe ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaonโ€™ireo mpisehatra ao anatinโ€™ny tetikasa #TEFIALA momba ny fizarana vokatra avy aminโ€™ny fanjohina ny asa nataonโ€™ny tetikasa, ho fanatsarana ny fanaraha-maso ny asa fanarenana ny tontolo manodidina eny ifotony. ๐— ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐˜† ๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฏ๐Ÿฐ no nanaraka ny fampiofanana, izay nahitana mpisehatra avy aminโ€™ny tetikasa TEFIALA, ny mpanao gazety, ny teknisianina avy eto anivonโ€™ny #MEDD sy #MINAE (#DCSI, #DREDD).
๐ŸŒฟ๐ŸŒณ Fiofanana momba ny fanjohina sy ny fizaram-baovao miainga avy aminโ€™ny angon-drakitra avy eny ifotony no notanterahina. Nifantoka manokana taminโ€™ny endritany telo lehibe iasanโ€™ny tetikasa ny fiofanana: #Volanony sy #Ranomainty (๐— ๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ถ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ป๐˜†) ary #Bas #Mangoky (๐—”๐˜๐˜€๐—ถ๐—บ๐—ผ ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฒ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ). Hetsika izay hanampy betsaka aminโ€™ny fanatsarana ny serasera sy ny fizarana fahalalana ho fanohanana ny asa fanarenana sy ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajanahary eny anivonโ€™ny mponina eny ifotony.
Date de publication : 8 dรฉcembre 2025

Suivre d'autres actualitรฉs