Mirefy 9 tapitrisa hekitara ankehitriny ny velaranโala eto Madagasikara. 294 monja anefa ny isanโny Mpianala miandraikitra izany eto anivonโny Ministera.
Laharam-pahamehana arakโizany ny famerenana aminโny laoniny ny lanjanโny Vondronโny Rano sy Ala. Anisanโizany ny fanampiana isa ny mpianala (4000 fara-fahakeliny), hahafahana manamafy ny fiarovana ireo ala sisa tavela ireo sy hampitomboana ny velaranโny ala eto amintsika.
Anisanโny mahatonga ny olanโny rano sy angovo iainantsika ankehitriny ny fahasimbanโny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro. Zava-dehibe arakโizany ny fanomezan-danja bebe kokoa ny Minisiteranโny ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ahafahana miatrika araka ny tokony ho izy, sy mitondra vahaolana maharitra aminโny olana ara-tontolo iainana mitranga ankehitriny.



