๐Ÿš™๐ŸNy setroka maloto avoakanโ€™ny fiara sy kodiarandroa dia anisanโ€™ny antony miteraka ny fahalotoanโ€™ny rivotra. ๐Ÿก
๐Ÿ‘ฎโ€โ™‚๏ธ๐ŸกMiara-miasa hatrany ny Minisiteranโ€™ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) sy ny Foibe fitsarana fiarakodia #DGSR manohy ny fanentanana ny mpampiasa lalana sy ny fitsirihana ireo fitaovam-pitaterana mampiasa solika ho fanamafisana ny ady aminโ€™ny fandotoana ny rivotra.
๐ŸŒฟNy 20 sy 21 novambra 2025 teo dia tao #Vatomandry, #Antsapanana ary #Brickaville no nanatanteraka fanentanana sy fitsirihana fiarakodia ny #DREDDAtsinanana sy ny rantsamangaikanโ€™ny fitsarana fiarakodia ao Toamasina.
๐Ÿ‘‰ Fiara miisa 110 no voatsirika, ary 03 taminโ€™ireo no nahitana setroka maloto diso tafahoatra.
๐Ÿ‘‰Nametahana autocollant misy hafatra kosa ireo fiara izay hita fa manaraka ny fenitra ny setroka avoakany. Toa izay ihany koa dia nametrahana ity autocollant ity ihany koa ireo biraonโ€™ny koperativa ho fanentanana ny tsirairay aminโ€™ny fikojakojana ny fiara.
๐Ÿ‘‰ Olona maherinโ€™ny 1020 eo arakโ€™izany no nisitraka fanentanana (koperativam-pitaterana, mpitondra fiara sy ireo mpandeha).
Date de publication : 25 novembre 2025

Suivre d'autres actualitรฉs