♻️🌿Anisan’ny 𝗺𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗿𝗶𝘃𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝗿𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗸𝗼. Maro ny 𝘀𝗶𝗻𝗴𝗮 𝘀𝗶𝗺𝗶𝗸𝗮 ao anatin’ireny fako ireny no 𝘁𝘀𝘆 𝘇𝗮𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮 ny setroka avoakany rehefa dorana, toa ny fako plastika izay mamoaka entona mahery vaika toa ny « dioxine sy furane ».
♻️🏡Ho fisorohana ny fahalotoan’ny rivotra dia manamafy hatrany ny fanentanana mahakasika izany ny Polisin’ny tontolo iainana #OPJE eto anivon’ny Minisitera #MEDD. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia teny amin’ny 𝘁𝗼𝗯𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗸𝗼 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝗴𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 – 𝗸𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗮𝗻𝗷𝗼𝗺𝗯𝗮𝘁𝗼 – 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 no nanatanterahana ny fanentanana mahakasika ny ady amin’ny 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗶𝘃𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗸𝗼.🌳🏡
♻️🏡Nampahafantarina ireo olona mikirakira ny fako eny an-toerana ireo karazana 𝘃𝗼𝗸𝗮𝗱𝗿𝗮𝘁𝘀𝘆 𝗮𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗸𝗼. Nisy ihany koa ny dinika nifanakalozan-kevitra tamin’ny Chef Fokontany dimy (5) mandrafitra ny Kaominina Tanjombato sy ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna hanatsarana ny fitantanana ny fako eo an-toerana.🌿
Date de publication : 11 novembre 2025

Suivre d'autres actualités