๐ฟ ๐ก๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ธ๐ฎ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐น๐ฒ๐ฎ๐ฑ๐ฒ๐ฟ๐ ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฎ๐ฑ๐ผ ๐บ๐ฒ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ฎ๐ผ ๐ ๐ฎ๐ถ๐ป๐๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ผ
Dรฉveloppement durableEnvironnement

๐๐ข๐ช๐ฏ๐ต๐ช๐ณ๐ข๐ฏ๐ฐ,

20 ๐๐ฐ๐ท๐ข๐ฎ๐ฃ๐ณ๐ข 2025


Leaders KAMADO miisa 20 mendrika taminโireo 60 izay napetraka hita fa tena mavitrika sy nahavita be no notoloranโny DREDD Melaky fankasitrahana ny 20 novambra 2025 teo, ho famporisihana azy ireo hanamafy hatrany ny ezaka fikajiana ny tontolo iainana aminโny alalan’ny fampiroboroboana ny fampiasana fatana mitsitsy
#KAMADO eny anivonโny fiaraha-monina.


Mari-pankasitrahana sy finday ary fanamiana no loka nomena azy ireo. Fiaraha-miasa teo aminโny
#DREDDMelaky, ny tetikasa
#CIBEL, ny tetikasa Resilience through reforestation ary ny
WWF Madagascar no nahafahana nanohana izao hetsika izao.

Afapo tanteraka taminโny tohana sy fampiofanana azony ireo mpandray anjara satria dia sady mandray anjara lehibe aminโny fitantanana maharitra ny ala ny KAMADO no sady mampiroborobo ny fihariana izay ataonโizy ireo ihany koa ny famokarana sy fanapariahana ireo fatana ireo.
Date de publication : 25 novembre 2025