๐ฟ๐ณ๐๐ฒ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฝ๐ : ๐ ๐ฎ๐๐ถ๐๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ผ๐น๐ฒ๐ป-๐ธ๐ฎ๐๐ผ ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐บ๐ฝ๐ผ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ ๐ฒ๐ป๐ ๐ถ๐ณ๐ผ๐๐ผ๐ป๐

๐๐ฆ๐ด๐ข๐ญ๐ข๐ฎ๐ฑ๐บ,

10 ๐ซ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ข๐ณ๐บ 2026


Efa miroso tanteraka ao anatinโny fambolen-kazo ny ao aminโny faritra
#Melaky, ary mandray anjara lehibe ao anatinโizany ny mponina izay hita fa resy lahatra aminโny fanaovana fambolen-kazo.

Ny 10 janoary 2026 no nanombohana ny taom-pambolen-kazo teo anivonโny faritra izay notanterahina tao
#Andolombahiny – distrikanโi
#Besalampy. Velaran-tany 3,5Ha no voavoly zanakazo taminโizany, izay nahitana mahabibo, korosy ary acacia.



Nitarika ny hetsika ny
#DREDDMelaky ary notroninโny Solombavambahoaka voafidy tao Besalampy, ny tomponโandraiki-panjakana isan-tokony, ny mpiara-miombonโantoka ary ny mponina ao an-toerana.


Nanentana ny tsirairay ireo izay nandray fitenenana hanao laharam-pahamehana hatrany ny fanaraha-maso sy fikolokoloana ireo hazo novolena ireo mba ho vanona sy hiaro ny ala efa misy.
Date de publication : 12 janvier 2026