📍𝘛𝘰𝘣𝘪𝘯’𝘢𝘭𝘢 – 𝘈𝘮𝘱𝘰𝘵𝘢𝘬𝘢 📅18 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
🌱🌱Tao amin’ny Parc Madagasikarantsika, ao amin’ny tobin’ala Ampotaka – Distrikan’i Madoto no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo tao amin’ny Faritra Vakinankaratra ny 18 desambra 2025.
🌱Zanakazo miisa 5 500 no novolena tamin’ny velaran-tany mirefy 5Ha, izay nahitana hazo ala sy hazo fihinam-boa.🌳
🌱🌳Nifanome tanana nanatanteraka ny fambolen-kazo ny DREDD Vakinankaratra, tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny mponina ao Ampotaka, ny Imperial Brands, ny fikambanana sy orinasa tsy miankina isan-tsokajiny ary ny mpitandro ny filaminana.
🌿🌱Ny orinasa Imperial Brands sy ny mponina no mandray an-tanana ny fikolokoloana sy ny fanaraha-maso ireo zanakazo novolena.
Date de publication : 23 décembre 2025

Suivre d'autres actualités