๐ณ๐ฟ๐ ๐ฒ๐ป๐ฎ๐ฏ๐ฒ : ๐ก๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ณ๐ถ๐๐๐ถ๐ฑ๐ถ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ฟ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ ๐ฒ๐ป๐ฎ๐ฏ๐ฒ ๐๐ป๐๐ถ๐บ๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฒ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ
Aires ProtรฉgรฉesEnvironnement

Vokatry ny fiaraha-miasa teo aminโny
#DREDDMenabe, ny
#DRENMenabe ary ny
#Fanamby, dia nisitraka fitsidihana tao aminโny ๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ฟ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ ๐ฒ๐ป๐ฎ๐ฏ๐ฒ ๐๐ป๐๐ถ๐บ๐ฒ๐ป๐ฎ ireo ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฒ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ tao Menabe, ho fankasitrahana azy ireo taminโny ezaka nataony nandritra ny taom-pianarana 2024โ2025.

Ankoatra izany, natao ihany koa izao hetsika izao hanamafisana ny ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฏ๐ฒ๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ireo tanora mpianatra ho tia sy hanaja ny ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ฎ๐ท๐ฎ๐ป๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ mampiavaka ny faritra.

Ireo mpianatra avy aminโny Sekoly Katolika St Ignace de Loyola ao Kiboy, EPP Tsianaloky, CPC St Vincent de Paul Tsimafana, CPC St Mathias ao Lambokely, ary ny รcole Privรฉe Ravinala ao Kirindy no nandray anjara taminโity fitsidihana manokana ity.

Narahina fanentanana ihany koa ny hetsika, natao hampahafantarana sy hamporisihana ireo tanora hitarika ny hafatra momba ny fiarovana ny tontolo iainana eny anivonโny fiarahamonina misy azy.
Date de publication : 4 dรฉcembre 2025