๐Ÿ“๐˜”๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฃ๐˜ฆ, ๐Ÿ“†25-29 ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ท๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ณ๐˜ข 2025
๐ŸŒณ๐ŸHo fanatsarana ny velon-tenanโ€™ireo mponina mipetraka aminโ€™ireo fokontany ao aminโ€™ny ๐—ฎ๐—น๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐— ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—ฒ ๐—”๐—ป๐˜๐—ถ๐—บ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ dia nisitraka fampiofanana mahakasika ny fiompiana tantely avy aminโ€™ny #DREDDMenabe, ny #DRAEMenabe ary ny ONG #Fanamby izy ireo. Ny fampiroboroboana ny seha-pihariana maitso tahaka izao dia mandray anjara feno aminโ€™ny fanamafisana ny fiarovana ny atialanโ€™i Menabe Antimena.
๐ŸŒฟ๐ŸAnkoatra ny fampiofanana dia notolorana fitaovana ahafahanโ€™izy ireo misehatra aminโ€™ny fiompiana tantely ihany koa ireo mpiofana. Nampahafantarina azy ireo nandritra ny fiofanana nomena azy, fa mifampiankina tanteraka ny ala sy ny fiompiana tantely ka tokony ho sarotiny aminโ€™ny fiarovana ny atiala izy ireo.
๐Ÿก๐ŸŒณ๐—™๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐Ÿด ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ผ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ :
โ†—๏ธKaominina Ambanivohitra Tsimafana : Tsianaloka, Tsimafana
โ†—๏ธKaominina Ambanivohitra Beroboka avaratra : Lambokely, Beroboka, Mandroatsy, Anketrevo
โ†—๏ธKaominina Ambanivohitra Marofandilia: Kirindy village
Date de publication : 2 dรฉcembre 2025

Suivre d'autres actualitรฉs