๐Ÿ“๐˜ˆ๐˜ฏ๐˜ต๐˜ด๐˜ช๐˜ณ๐˜ข๐˜ฃ๐˜ฆ,๐Ÿ“… 3-5 ๐˜ฅ๐˜ฆ๐˜ด๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ณ๐˜ข 2025
๐ŸŒฑ๐ŸŒฟManana adidy aminโ€™ny fambolen-kazo avokoa ny orinasa tsirairay araka ny voasoratra ao anatinโ€™ny bokinโ€™andraikitra ara-tontolo iainana izay nataonโ€™izy ireo (Etude dโ€™Impacts Environnementaux). Ho anโ€™ny faritra Vakinankaratra manokana dia nasaina namokatra zanakazo avokoa ny orinasa rehetra ho fanamafisana ny fambolen-kazo aminโ€™ity taom-pambolena 2026 ity.
๐ŸŒฑ๐ŸŒฑNitsidika ny tanin-janakazonโ€™ireo orinasa ireo ny DREDD Vakinankaratra ny 3-5 desambra 2025 teo, nanara-maso ny famokaranโ€™izy ireo zanakazo sy nanome tohana ara-teknika. Ankoatra ny orinasa dia nasaina ihany koa ny sekoly isan-tsokajiny mba samy hanana tanin-janakazo avokoa.
Date de publication : 16 dรฉcembre 2025

Suivre d'autres actualitรฉs