🌏🌿𝗖𝗘𝗢 𝗦𝘂𝗺𝗺𝗶𝘁 𝗮𝗻𝗱𝗶𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮 |
Développement durableEnvironnement

Ivandry,

04 desambra 2025

Sehatra lehibe ihaonan’ireo mpandraharaha sy lehiben’ny orinasa eto anivon’ny Ranomasimbe indiana ny 𝗖𝗘𝗢 𝗦𝘂𝗺𝗺𝗶𝘁. Ny volana aprily 2026 izao no ho tanterahina ny andinay faharoa amin’ity hetsika ity.

Tanjon’ny
#CEOSummit ny fiarahan’ireo mpandraharaha sy mpitantana orinasa ireo mametraka vina iombonana hampiroborobo ny fandrosoana lovainjafy eto anivon’ny 𝗥𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗺𝗯𝗲 𝗜𝗻𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮. Ao anatin’izany ny fomba famokarana manaja ny tontolo iainana, fanatsarana ny tsena sy ny fifandraisana ara-toekarena, ary ny fifanakalozana ara-barotra.

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny Ivandry ny hanatanrerahana ny andiany faharoa amin’ny CEO Summit izay hatao ny volana aprily 2026. Nitarika ny hetsika ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa 𝗥𝗮𝗷𝗮𝗼𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗲𝗹𝗼 𝗛𝗲𝗿𝗶𝗻𝘁𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮, ary nanotrona izany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (
#MEDD) Andriamatoa 𝗠𝗮𝗻𝗲𝘀𝗶𝗺𝗮𝗻𝗮 𝗥𝗮𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲̈𝗹.
Date de publication : 5 décembre 2025