🌐🌿𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑖𝑣𝑜 9 𝑎𝑝𝑟𝑖𝑙𝑦 2025 – Tetikasa maro misandrahaka amina seha-pampandrosoana isan-karazany no iarahan’i 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 sy ny 𝗕𝗮𝗻𝗸𝘆 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 manatanteraka ahafahana mitondra 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 eto amintsika. Nisy arak’izany ny atrikasa nanaovana tombana ireo tetikasa iarahan’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena ireo.
🌳🌵Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ny solontenan’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta ka anisan’izany ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Andriamatoa Max Andonirina Fontaine.
🌳🌿Eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana dia tetikasa iray misongadina iarahan’ny 𝗠𝗘𝗗𝗗 amin’ny 𝗕𝗮𝗻𝗸𝘆 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 ny Fandaharanasa 𝗣𝗥𝗘-𝗔𝗔 na 𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗺𝗲 𝗱𝗲 𝗥𝗲́𝗱𝘂𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲𝘀 𝗘𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻𝘀 𝗔𝘁𝗶𝗮𝗹𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮, izay mampiasa ny 𝗿𝗼𝗵𝗶𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗥𝗘𝗗𝗗+. Avy amin’ity fandaharanasa PRE-AA ity no nahafahan’i Madagasikara nanatanteraka 𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗸𝗮𝗿𝗯𝗼𝗻𝗮 ary efa ao anaty kitapom-bolam-panjakana ny ampahany voalohany amin’izany, izay ampiasaina hanantanterahana asa mivaingana 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗹𝗼𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆 ny ampahany betsaka amin’izany.
Date de publication : 14 avril 2025

Suivre d'autres actualités