๐Ÿ“๐˜’๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ซ๐˜ข ๐˜‰๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ข – ๐˜”๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ข๐˜ด๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข, ๐Ÿ“†12 ๐˜ฅ๐˜ฆ๐˜ด๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ณ๐˜ข 2025
๐ŸŒโ™ป๏ธHetsika fanadiovana sy fanangonana fako ary fampiofanana momba ny fanodinana fako no nentina nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho anโ€™ny toetrandro izay notanterahina ny 12 desambra 2025 teny Mahamasina. Anisanโ€™ny olana lehibe mitarika ny fiovanโ€™ny toetrandro ankehitriny ny fandotoana ateraky ny tsy fifehezana ny fako. Antony anamafisanโ€™ny Minisiteranโ€™ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) ny fanentanana sy ny fampiofanana ny tanora aminโ€™ny fanodinana fako ho fampiroboroboana ny fandraharahana aminโ€™ity sehatra ity.
โ™ป๏ธโ™ป๏ธNisy arakโ€™izany ny hetsika fifaninana manadio ยซ Trash backpack challenge ยป izay nokarakarainโ€™ny #๐—ฆ๐—”๐—ฉ๐—˜ (๐—ฆ๐˜‚๐˜€๐˜๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—น๐—ฒ ๐—”๐—ฐ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป ๐—ณ๐—ผ๐—ฟ ๐—ฎ ๐—ฉ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—น ๐—˜๐—ป๐˜ƒ๐—ถ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ป๐—ฒ๐—บ๐—ฒ๐—ป๐˜) niaraka taminโ€™ny #MEDD sy ny #MJS (Minisiteranโ€™ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena) teny Mahamasina. Tanora avy amina fikambanana sy sehatra tsy miankina maro samihafa no nandray anjara taminโ€™izany, izay samy resy lahatra avokoa aminโ€™ny fiarovana ny tontolo iainana sy vonona handray andraikitra aminโ€™ny ady aminโ€™ny fiovanโ€™ny toetrandro.
๐ŸŒNifanome tanana taminโ€™ny #๐— ๐—˜๐——๐—— sy ny #๐— ๐—๐—ฆ taminโ€™ny fikarakarana ity hetsika ity ny #๐—จ๐—ก๐—œ๐—–๐—˜๐—™ sy ny #๐—”๐—œ๐—ž๐—” ary ny ๐—™๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป ๐—ง๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฒ๐˜ƒ๐—ฎ.
Date de publication : 16 dรฉcembre 2025

Suivre d'autres actualitรฉs