๐๐ ๐ก๐ผ๐๐ ๐๐ฒ : ๐ก๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐๐ฃ (๐๐ถ๐๐ฝ๐ผ๐๐ถ๐๐ถ๐ณ ๐ฑ๐ฒ ๐๐ผ๐ป๐ฐ๐ฒ๐ป๐๐ฟ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฑ๐ฒ ๐ฃ๐ผ๐ถ๐๐๐ผ๐ป) ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ท๐ผ๐ป๐ผ ๐ฎ๐ผ ๐ ๐ฎ๐ฟ๐ผ๐ฑ๐ผ๐ธ๐ฎ ๐๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ผ๐ฟ๐ผ ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ๐ฎ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐ป๐ท๐ฎ๐๐ฎ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐ผ๐ธ๐ผ๐ฏ๐ฒ
Aires ProtรฉgรฉesBiodiversitรฉEnvironnement

๐๐ฐ๐ด๐บ ๐๐ฆ,

12 ๐ฅ๐ฆ๐ด๐ข๐ฎ๐ฃ๐ณ๐ข 2025


DCP (Dispositif de Concentration de Poisson) miisa telo no natolotra ireo mpanjono ao Marodoka Ambanoro – Distrikanโi Nosy Be, vokatry ny fiaraha-miasa eo aminโny
#DREDDDIANA sy ny Madagascar National Parks (
#MNP) Lokobe ary ny fikambananโny mpanjono ao an-toerana.


Famaliana ny hetahetanโireo mpanjono monina akaikinโny faritra arovana
#Lokobe sy ho fanampiana azy ireo amin’ny fanatsarana ny velontenany ary fanamafisana ny fiarovana ny faritra arovana Lokobe mba tsy hisianโny fanjonoana ao anatinโny faritra arovana an-dranomasina no antony lehibe nanaovana izao tohana izao.


Naneho ny fankasitrahany ny tohana izay nomena azy ireo ny fikambananโny mpanjono, ary nanome toky ny Filohanโny Fikambananโny mpanjono fa handray anjara feno aminโny fiarovana ny valanjavaboary Lokobe.
Date de publication : 16 dรฉcembre 2025