๐Ÿ“๐˜ˆ๐˜ฏ๐˜ต๐˜ด๐˜ช๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข, ๐Ÿ“…8-9 ๐˜ฅ๐˜ฆ๐˜ด๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ณ๐˜ข 2025
๐ŸŒŠTetikasa iray natokana hiarovana ny ๐˜€๐—ผ๐—ธ๐—ฎ-๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ต๐—ถ-๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ป๐—ฎ any aminโ€™ny tapany ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฒ๐—ณ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ถ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ny tetikasa Aro Fano. Tontosa tao #Antsiranana ny 8 sy 9 desambra 2025 teo ny atrikasa nanombohana taminโ€™ny fomba ofisialy ity tetikasa ity.
๐ŸŒŠHaharitra ๐—ฑ๐—ถ๐—บ๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ny fe-potoana iasanโ€™ny tetikasa, ary ny fari-dranomasina manomboka any aminโ€™ny ๐—ต๐—ฒ๐—น๐—ผ๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ปโ€™๐—”๐—ป๐˜๐˜€๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ธ๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—”๐—ป๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ no voakasika ao anatinโ€™izany, izay toerana stratejika aminโ€™ny harena voajanahary an-dranomasina.
๐ŸŽฏTanjona ny hampihenana ny fisamborana tsy nahy ny sokatra-dranomasina, ny fanamafisana ny ady aminโ€™ny varotra an-tsokosoko azy ireo, ny fiarovana ny toeram-ponenana ary ny fanamafisana ny velontenanโ€™ireo mponina amorontsiraka ireo.
๐ŸŒŠIty tetikasa ity dia tanterahinโ€™ny Ministeranโ€™ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) ary tohananโ€™ny Fandaharanโ€™asanโ€™ny Firenena Mikambana momba ny Tontolo Iainana (#PNUE) aminโ€™ny alalanโ€™ny Fonds pour lโ€™Environnement Mondial (#FEM).
Date de publication : 16 dรฉcembre 2025

Suivre d'autres actualitรฉs