๐Ÿ“๐˜”๐˜ข๐˜ช๐˜ฏ๐˜ต๐˜ช๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ, ๐Ÿ“…16 ๐˜ซ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ 2026
๐ŸŒฑย ยป Izay mamboly hazo manome aina ยซย ๐ŸŒฟ
๐ŸŒฟ๐ŸŒฑTao Ambararatakely – Kaominina Maintirano no nanombohana ny taom-pambolen-kazo 2025-2026 tao aminโ€™ny faritra Melaky, izay nokarakarainโ€™ny #DREDDMelaky. Velaran-tany mirefy 9Ha no voavoly hazo taminโ€™izany, nahitana mahabibo, gimelina, kininina ary akasia.
๐ŸŒฟNifanome tanana taminโ€™ny fambolen-kazo ny sampan-draharaham-panjakana, ny mpianatra, fikambanana , mpiara-miombonโ€™antoka, orinasa ary ireo mponina eny an-toerana.
๐ŸŒณ๐ŸŒณVelaran-tany maro no efa rakotra hazo eo aminโ€™ity toeram-pambolen-kazo ao Ambararatakely ity, vokatry ny fiaraha-mientan’ny tsirairay nanara-maso sy niaro ireo hazo novolena teo.
Date de publication : 19 janvier 2026

Suivre d'autres actualitรฉs