๐
๐๐ง๐จ๐ฆ๐๐จ๐ก๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐ญ๐๐จ๐ฆ-๐ฉ๐๐ฆ๐๐จ๐ฅ๐๐ง-๐ค๐๐ณ๐จ ๐๐๐๐โ๐๐๐๐ ๐ญ๐๐จ ๐๐ข๐๐ซ๐ข๐ง๐๐ซ๐ข๐ฏ๐จ, ๐
๐๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐๐ญ๐๐ฌ๐ฒ

๐iarinarivo,

16 ๐ซ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ข๐ณ๐บ 2026

ย ยป Izay mamboly hazo manome aina ยซย



Velaran-tany 3Ha no voavoly hazo tao aminโny Fokontany
#Amboalefoka, Kaominina Miarinarivo II, Distrika
#Miarinarivo ny 16 janoary 2026, nentina nanombohana ny fambolen-kazo tao aminโny faritra Itasy.

Zanakazo miisa 5.800 no voavoly tamin’izany, izay notarihan’ny Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana, ny Fileovana Miarinarivo ary ny
#DREDDItasy.


Nanotrona ny hetsika ny sampan-draharaham-panjakana sy tsy miankina isan-tokony eo anivonโny faritra, ny mpiara-miombonโantoka, tanora sy fikambanana maro isan-karazany.


Nandritra ity fotoana ity dia nisy ny fanentanana ny tsirairay samy hanamafy ny fambolen-kazo mandritra izao fotoam-pahavaratra izao fa indrindra ny fanaovana laharam-pahamehana ny fanaraha-maso azy ireo.

Nifanampy taminโny DREDD Itasy taminโny fanatanterahana ity fambolen-kazo ity ny Planรจte Urgence aminโny alalanโny Tetikasa TAPIA.
Date de publication : 19 janvier 2026