โ๏ธ๐ฅ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ๐ฎ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ฎ๐ฑ๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ฑ๐ผ๐ฟ๐ผ ๐๐ฎ๐ป๐ฒ๐๐ ๐๐ ๐ป๐ ๐ฑ๐ผ๐ฟ๐ผ ๐ฎ๐น๐ฎ
EnvironnementLutte contre le feu


Fokonolona miisa 4 400 tao aminโny fokontany 10 ao aminโny kaominina Soavina, ary mponina miisa 1 600 avy aminโny fokontany 8 ao aminโny kaominina Ambondromisotra no nandray anjara taminโny fanentanana aminโny ady aminโny doro tanety izay notanterahinโny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy
#DREDDAmoroniMania tao aminโny distrikanโ Ambatofinandrahana.


Ao anatinโny vanim-potoana maintany tanteraka isika izao, fotoana mampirongatra ny afo. Nifanome tanana arakโizany ny tomponโandraikitra isan-tokony
#DREDD,
#DRAE, Mpitandro ny filaminana, ny fandaharanasa PLAE4, ny kaominina, ary ireo chef Fokontany nitondra fanentanana eny ifotony hisorohana ny doro tanety syn y doro ala.


Fampahatsiahivana ireo vokadratsy ateraky ny afo, ny lalร na mifandraika aminโizany, ary ny andraikitry ny tsirairay raha sanatria ka misy tranganโafo no nampitaina nandritra ity fotoana ity.
Date de publication : 23 septembre 2025