Totosa soamatsara anio 05 jona ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana ho an’ny Faritra Bongolava.
« Nosy ho an’ny ho avy tsy misy fandotoana plastika ».
Maro ny hetsika nentina nankalazana izany, toy ny :
❇️Fanadiovana ny toerana manodidina ny lampan’ny tanana Tsiroanomandidy
❇️Fanaovana diabe namakivaky ny tanana sady fitsimponana ireo fako plastique
❇️Ny fifaninanana nataon’ireo classe tao aminny Collège la RUCHE , izay nanaovan’ny mpianatra ireo asa-tanana azo avy amin’ny fanodinana ny fako plastique , toy tomobile kely vita avy amin’ny tavoahangy plastique, ny trousse de toilette , ny vase, etc.
❇️Ny fifaninana radio crochet mifandraika amin’ny lohahevitry ny fankalazana
❇️Ny fanaovana carnaval misy ny message manentana ny olona hisoroka ny fako plastique sy ny fanodinana azy.
🌱Tonga nanome voninahitra izao fankalazana ny JME izao ireo manam- pahefana eto antoerana notarihin’ Andriamatoa isany Governora ny Faritra, Préfet ny Tsiroanomandidy, Maire CU Tsiroanomandidy, ny Talem-paritra miaraka amin’ireo servisim-panjakana rehetra, ny association ,ny fokonolona.
🌱Tolorana fisaorana ny fahatongavantsika maro be nifanotrona tamin’izany fankalazana izany 🙏
Date de publication : 18 juin 2025

Suivre d'autres actualités