🌍COP28 : NATOKANA MANOKANA HIRESAHANA AN’I MADAGASIKARA NY ANDRON’NY 3 DESAMBRA

🌍COP28 : NATOKANA MANOKANA HIRESAHANA AN’I MADAGASIKARA NY ANDRON’NY 3 DESAMBRA

🌱Fifampizarana traikefa teo amin’ireo mpisehatra malagasy na vahiny mahakasika ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, fanasongadinana ny dingana vitan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena hafa sy ireo mpiara-miombon’antoka. Ireo no nivoitra nandritra ny « Madagascar day » izay notanterahina tao amin’ny pavillon Madagascar #COP28.

🌳Nitarika ny hetsika « Madagascar day » Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Atoa RAMONJAVELO Valérie, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Atoa Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Atoa RAVOKATRA Fidiniavo, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ary ireo Solombavambahoaka miatrika izao fihaonambe mahakasika ny fiovan’ny toetrandro izao.

 

Evenements

Thématiques
<